Acts 26

1Noho izany Agripa niteny tamin’i Paoly hoe: “Afaka miteny ho an’ny tenanao ianao.” Dia naninjitra ny tanany Paoly ary nanao ny fiarovan-tenany. 2“Maneho ny tenako toy ny faly aho, ry Agripa mpanjaka, mba hitondra ny zavatra mahazo ahy eto anoloanao androany manohitra ireo fiampangan’ireo Jiosy rehetra; 3indrindra, satria ianao efa matihanina amin’ny fomba amam-panao sy fanontanian’ny Jiosy rehetra. Noho izany dia mangataka anao aho hihaino ahy am-paharetana.

4Marina fa, ireo Jiosy rehetra dia mahafantatra ny fomba fiainako hatramin’ny fahatanorako tany amin’ny fireneko manokana sy tao Jerosalema. 5Izy ireo dia nahafantatra ahy hatrany am-boalohany ary tokony hanaiky izy ireo fa Fariseo fiaina aho, ny hentitra indrindra amin’ny antokon’ny fivavahantsika.

6Ary mijoro eto aho mba ho tsaraina satria mitady ny fampanantenana izay nataon’Andriamanitra tamin’ireo razantsika aho. 7Fa ity no fampanantenana nantenain’ny fokontsika roambinifolo ho raisina raha nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tokoa izy ireo. Ho an’izany fanantenana izany, ry Agripa mpanjaka, no hiampangan’ireo Jiosy ahy. 8Nahoana ianareo no mihevitra fa tsy azo inoana fa manangana ny maty Andriamanitra?

9Nisy fotoana aho nihevitra tamin’ny tenako fa tokony hanao zavatra maro manohitra ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta aho. 10Nanao izany tany Jerosalema aho. Nanidy maro tamin’ireo mpino tany am-ponja tamin’ny fahefana noraisiko avy tamin’ireo lohan’ny mpisorona aho, ary rehefa voavono izy ireo, dia nandatsaka ny vatoko hanohitra azy ireo aho. 11Nosaziako imbetsaka izy ireo tany amin’ireo synagoga rehetra ary niezaka ny hanery azy ireo mba hiteny ratsy aho. Tezitra mafy tamin’izy ireo aho ary nanenjika azy ireo na dia tany amin’ireo tanàna any ivelany aza.

12Raha mbola nanao izany aho, dia nandeha tany Damaskosy niaraka tamin’ny fahefana sy ireo didy avy amin’ireo lohan’ny mpisorona; 13ary teny an-dalana nankany, tamin’ny mitataovovonana, ry Mpanjaka, dia nahita hazavana avy eny an-danitra aho izay mamiratra noho ny masoandro ary izany dia namiratra nanodidina ahy sy ireo lehilahy izay niara-dia tamiko. 14Rehefa nianjera tamin’ny tany izahay rehetra, dia nahare feo niresaka tamiko aho izay niteny tamin’ny teny Hebreo hoe: ‘Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Sarotra ho anao ny handaka fanindronana.’

15Avy eo niteny aho hoe: ‘Iza ianao, Tompo ve?’ Ny Tompo namaly hoe: ‘Izaho no Jesosy izay enjehinao. 16Ankehitriny miarena ary mitsangana amin’ny tongotrao; satria noho izao antony izao no nisehoako taminao, mba hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona mahakasika ireo zavatra izay fantatrao momba Ahy ankehitriny ary ireo zavatra izay hasehoako anao ao aoriana kely; 17ary hanavotra anao ao amin’ny vahoaka sy ireo Jentilisa izay hanirahako anao aho, 18mba hanokatra ny mason’izy ireo ary hampitodika azy ireo hiala amin’ny haizina hankany amin’ny fahazavana ary amin’ny herin’ny Satana hankany amin’Andriamanitra, mba hafahan’izy ireo mandray avy amin’Andriamanitra ny famelan-keloky ny fahotana sy ny lova izay omeko azy ireo izay nohamasinina tamin’ny finoana Ahy.’

19Noho izany, ry Agripa mpanjaka, nankatoa ny fahitana avy tany an-danitra aho; 20fa, ny an’ireo izay tany Damaskosy aloha, ary avy eo tany Jerosalema, ary nanerana ny tanin’ny Jodia rehetra, ary koa tamin’ireo Jentilisa, nanome azy ireo ny hafatra aho fa tokony hibebaka sy hitodika amin’Andriamanitra izy ireo, hanao ny asa mendrika ny fibebahana. 21Noho izany antony izany no nisamboran’ireo Jiosy ahy tao an-tempoly sy niezaka hamono ahy.

22Nanampy ahy hatramin’izao Andriamanitra, noho izany dia mitsangana aho ary mijoro vavolombelona amin’ny olon-tsotra sy amin’ireo manan-kaja tsy hilaza na inona na inona mihoatra izay nolazain’ireo mpaninany sy Mosesy fa hitranga; 23fa tsy maintsy hijaly Kristy, ary Izy no ho voalohany hitsangana amin’ireo maty mba hitsangana sy hitory fahazavana ho an’ireo vahoaka Jiosy sy ireo Jentilisa.”

24Raha vitan’i Paoly ny fiarovan-tenany, dia niteny tamin’ny feo mafy Festosy hoe: “Paoly, very saina ianao; ny fianaranao be loatra no nahatonga anao ho very saina.” 25Fa hoy Paoly hoe: “Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra; fa amin’ny fahasahiana aho miteny tenin’ny fahamarinana sy fahamatorana. 26Fa ny mpanjaka mahafantatra momba izany zavatra izany; ary noho izany, miteny an-kalalahana aminy aho, fa resy lahatra fa tsy nisy tamin’izany nafenina taminy; satria tsy natao tany amin’ny takona izany.

27Mino ny mpaminany ve ianao, ry Agripa mpanjaka? Fantatro fa mino ianao.” 28Agripa niteny tamin’i Paoly hoe: “Ao anatin’ny fotoana fohy ve no handresenao lahatra ahy sy hanaovanao ahy ho kristiana?” 29Hoy Paoly hoe: “Mivavaka amin’Andriamanitra aho, mba na ho ao anatin’ny fotoana fohy na fotoana lava, tsy ianao ihany, fa ireo rehetra izay mandre ahy androany ihany koa, dia hitovy amiko, fa tsy miaraka an’ireny rojo ireny.”

30Avy eo nitsangana ny mpanjaka, sy ny governora, sy Berenika ihany koa, ary ireo izay nipetraka niaraka tamin’izy ireo; 31rehefa nandao ny trano fivoriana izy ireo, dia nifampiresaka ary niteny hoe: “Ity lehilahy ity tsy manao zavatra mendrika ny fahafatesana na famatorana.” Hoy Agripa tamin’i Festosy hoe: “Ity lehilahy ity dia afaka nalefa raha tsy nantsoina tany amin’i Kaisara izy.”

32

Copyright information for PltULB